Bokin'ny Eksodosy 10:23
koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin’ izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak’ Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin’ ny fonenany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 10
Cross References
Exodus 7:25Ary nisy hafitoana taorian’ ny namelezan’ i Jehovah an’ i Neily.
Exodus 8:19Dia hasiako fiavahana amin’ ny oloko sy ny olonao; rahampitso no hisian’ izany famantarana izany.
Exodus 9:4Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin’ ny Isiraely amin’ ny bibin’ ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an’ ny Zanak’ Isiraely na dia iray aza.
Exodus 14:20ka tonga teo anelanelan’ ny tobin’ ny Egyptiana sy ny tobin’ ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina.
Isaiah 42:16Hitarika ny jamba amin’ izay lalana tsy fantany Aho; ary amin’ ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.
Isaiah 65:13Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; Indro, ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra;