Bokin'ny Eksodosy 11:5
dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny matoan’ i Farao izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny matoan’ ny ankizivaviny izay eo anilan’ ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 11
Cross References
Exodus 4:23koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.
Exodus 12:29Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ i Farao izay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny lahimatoan’ ny babo izay tao amin’ ny trano-maizina, mbamin’ izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Judges 16:21Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin’ ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.
Psalms 105:36Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny taniny Izy, Dia ny voalohan’ ainy rehetra.
Psalms 136:10Izay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)
Lamentations 5:13Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.