Bokin'ny Eksodosy 11:8
Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin’ i Farao tamin’ ny fahatezerana mirehitra Mosesy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 11
Cross References
Exodus 12:31Dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ ny vahoakako ianareo sy ny Zanak’ Isiraely, ary mandehana ka manompoa an’ i Jehovah araka ny nolazainareo.
Deuteronomy 29:24Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
Judges 4:10Ary nantsoin’ i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy.
1 Kings 20:10ary izy naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon’ ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-tànan-ila akory ny vovok’ i Samaria amin’ ny isan-olona manaraka ahy.
Psalms 6:1Ho an’ ny mpiventy hira. Nampiarahina amin’ ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon’ i Davida.
Isaiah 49:26Sady hampihinaniko ny nofon’ ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon’ ny ran’ ny tenany ihany ireny, toy ny amin’ ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’ i Jakoba no Mpanavotra anao.