Bokin'ny Eksodosy 12:11
Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 12
Cross References
Exodus 12:13Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
Exodus 12:27dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan’ i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ ny Zanak’ Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.
Leviticus 23:5Ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan’ i Jehovah.
Numbers 28:16Ary ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany dia Paskan’ i Jehovah.
Deuteronomy 16:2Ary vonoy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman’ osy sy omby, eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah hampitoerany ny anarany.
2 Kings 23:21Ary ny mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: Tandremo ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin’ ny bokin’ ity fanekena ity.