Bokin'ny Eksodosy 12:22
Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin’ ny rà izay ao anatin’ ny bakoly ary ny rà izay ao anatin’ ny bakoly dia anenteno amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain’ ny andro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 12
Cross References
Leviticus 14:6Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin’ ny vorona velona eo amin’ ny ran’ ny vorona izay novonoina teo ambonin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha.
Joshua 2:19ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona azy akory;
Isaiah 26:20Mandehana, ry oloko, midìra ao amin’ ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan’ ny fahatezerana.
Hebrews 9:1Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin’ ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masìna momba ny etỳ an-tany.
Hebrews 9:19Fa rehefa voalazan’ i Mosesy tamin’ ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak’ omby sy ny ran’ osilahy mbamin’ ny rano sy ny volon’ ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin’ ny boky sy ny vahoaka rehetra;
Hebrews 12:24sy amin’ i Jesosy, Mpanalalana amin’ ny fanekena vaovao, ary amin’ ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an’ i Abela.