Bokin'ny Eksodosy 12:26
Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’ izao fanompoana ataonareo izao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And it shall come to pass, when your children shall say unto you, What mean ye by this service?
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 12
Cross References
Exodus 13:8Dia hambaranao amin’ ny zanakao amin’ izany andro izany hoe: Noho ny nataon’ i Jehovah tamiko tamin’ ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao.
Exodus 13:22Ny andri-rahona tsy niala teo alohan’ ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.
Deuteronomy 6:20Ary raha manontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitsika anareo?
Deuteronomy 32:7Tsarovy ny andro fahiny, Saino ny taona hatrizay hatrizay; Anontanio amin-drainao, fa hanambara aminao izy, Sy amin’ ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy;
Joshua 4:21Dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin’ ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ ireo vato ireo?
Psalms 145:4Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’ izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe.