Bokin'ny Eksodosy 12:41
Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin’ izany andro izany indrindra no nivoahan’ ny antokony rehetra izay an’ i Jehovah tamin’ ny tany Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
40Ary ny andro nitoeran’ ny Zanak’ Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 12
Cross References
Genesis 50:24Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin’ ity tany ity ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
Exodus 6:26Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan’ i Jehovah hoe: Ento ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.
Exodus 12:17Ary hitandrina ny andron’ ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin’ ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay.
Exodus 13:3Dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana, fa tamin’ ny tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
Exodus 13:14Ary raha hanontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton’ izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana;
Leviticus 23:43mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak’ Isiraely tao amin’ ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.