Bokin'ny Eksodosy 13:19
Ary nentin’ i Mosesy niaraka taminy ny taolan’ i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin’ ny efitra.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 13
Cross References
Genesis 48:21Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin’ ny tanindrazanareo.
Genesis 50:25Ary Josefa dia nampianiana ny zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
Joshua 24:32Ary ny taolan’ i Josefa, izay efa nentin’ ny Zanak’ Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin’ ny tany izay novidin’ i Jakoba volafotsy zato tamin’ ny zanak’ i Hamora, rain’ i Sekema; dia tonga lovan’ ny taranak’ i Josefa izany.
Luke 7:16Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an’ Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.