Bokin'ny Eksodosy 14:22
Dia nandeha teo afovoan’ ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 14
Cross References
Exodus 15:8Ary ny fofonain’ ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan’ ny ranomasina ny lalina.
Numbers 33:8Ary nony niala tandrifin’ i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan’ ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara.
Joshua 3:17Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nijoro tsara tamin’ ny tany maina teo afovoan’ i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin’ ny tany maina mandra-pahatafitan’ izy rehetra an’ i Jordana.
2 Kings 2:14Dia noraisin’ i Elisa ny kapôtin’ i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr’ i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.
Psalms 66:6Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra.
Psalms 106:9Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,