Bokin'ny Eksodosy 14:26
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin’ ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan’ ny rano amin’ ny Egyptiana mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 14
Cross References
Exodus 7:19Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin’ ny ranon’ i Egypta ny tananao, dia ambonin’ ny sampan-dranony sy ambonin’ ny lahin-dranony, sy ambonin’ ny heniheniny, ary ambonin’ ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran’ ny tany Egypta rehetra, na amin’ ny fitoeran-drano hazo na amin’ ny fitoeran-drano vato.
Exodus 14:16Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin’ ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan’ ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely.
Exodus 15:4Ny kalesin’ i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin’ ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin’ ny Ranomasina Mena.
Matthew 7:2Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.
James 2:13Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’ izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.