Bokin'ny Eksodosy 14:27
Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian’ i Jehovah teo afovoan’ ny ranomasina ny Egyptiana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 14
Cross References
Exodus 14:21Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan’ i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.
Deuteronomy 11:4sy izay nataony tamin’ ny miaramilan’ ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin’ ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia voaringan’ i Jehovah mandraka androany,
Joshua 24:7Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana, sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo.
Psalms 78:53Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron’ ny ranomasina.
Hebrews 11:29Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman’ ny Egyptiana, ka dia voatelina izy.