Bokin'ny Eksodosy 15:1
Ary Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an’ i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ ny ranomasina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 15
Cross References
Exodus 14:17Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon’ ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,
Exodus 14:27Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian’ i Jehovah teo afovoan’ ny ranomasina ny Egyptiana.
Exodus 18:11Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin’ izay zavatra nentin’ ny Egyptiana nirehareha tamin’ ireny.
Judges 5:1Ary Debora sy Baraka, zanak’ i Abinoama, dia nihira tamin’ izany andro izany ka nanao hoe:
Psalms 76:7Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’ i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
Psalms 106:12Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.