Bokin'ny Eksodosy 15:13
Tarihinao amin’ ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin’ ny herinao ho any amin’ ny fonenanao masìna izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Nahinjitrao ny tananao ankavanana, dia nitelina ireo ny tany.
14Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;
Read all of Bokin'ny Eksodosy 15
Cross References
Genesis 19:16Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan’ izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon’ i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan’ ny tanàna.
Psalms 77:14Andriamanitra ô, amin’ ny fitoerana masìna ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an’ Andriamanitra?
Psalms 77:20Tany amin’ ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin’ ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.
Psalms 80:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon’ i Asafa.
Isaiah 57:15Fa izao no lazain’ ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masìna no anarany: Ao amin’ ny fitoerana avo sy masìna no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ ny torotoro fo;
Isaiah 63:12Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan’ i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,