Bokin'ny Eksodosy 15:14
Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The people shall hear, and be afraid: sorrow shall take hold on the inhabitants of Palestina.
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 15
Cross References
Numbers 14:14ary holazainy amin’ ny monina eo amin’ ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin’ ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin’ ny andri-rahona nony andro, ary amin’ ny andri-afo nony alina.
Deuteronomy 2:4Ary mandidia ny olona hoe: Hianareo efa handeha hamaky ny tanin’ ny taranak’ i Esao rahalahinareo, izay monina any Seïra; dia hatahotra anareo izy; nefa mitandrema tsara ianareo,
Joshua 2:9ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra anareo.
Joshua 9:9Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta
1 Samuel 4:7Dia raiki-tahotra ny Filistina ka nanao hoe: Andriamanitra no tonga ao an-toby. Ary hoy koa izy: Mahita loza isika! fa tsy mbola nisy toy izao.
Psalms 48:6Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;