Bokin'ny Eksodosy 15:22
Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron’ ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin’ ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 15
Cross References
Genesis 16:7Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nahita azy teo anilan’ ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan’ ilay loharano eo amin’ ny lalana mankany Sora.
Exodus 3:18Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin’ ny mpanjakan’ i Egypta ianao sy ny loholon’ ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray.
Numbers 33:8Ary nony niala tandrifin’ i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan’ ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara.