The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Eksodosy › Bokin'ny Eksodosy 15 › Bokin'ny Eksodosy 15:24

Bokin'ny Eksodosy 15:24

Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay?

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the people murmured against Moses, saying, What shall we drink?

In Context

23Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara

25Ary dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ka dia nanehoan’ i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin’ ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’ i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy,

Read all of Bokin'ny Eksodosy 15

Cross References

Exodus 14:11Ary hoy koa izy tamin’ i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?

Exodus 16:8Ary hoy koa Mosesy; Ho hitanareo izany, raha homen’ i Jehovah hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina; fa efa ren’ i Jehovah ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah.

Numbers 11:1Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan’ i Jehovah ny olona, ary nony ren’ i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon’ i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin’ ny toby.

Numbers 16:11Ary noho izany ianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin’ i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo?

Numbers 17:10Mialà amin’ io fiangonana io handringanako azy amin’ ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy.

Numbers 21:5Ary niteny nanome tsiny an’ Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin’ ny lalan’ ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Eksodosy 15:24

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Eksodosy 15:23Bokin'ny Eksodosy 15Bokin'ny Eksodosy 15:25 →