The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Eksodosy › Bokin'ny Eksodosy 15 › Bokin'ny Eksodosy 15:3

Bokin'ny Eksodosy 15:3

Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

The LORD is a man of war: the LORD is his name.

In Context

2Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.

4Ny kalesin’ i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin’ ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin’ ny Ranomasina Mena.

Read all of Bokin'ny Eksodosy 15

Cross References

Exodus 3:13Ary hoy Mosesy tamin’ Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin’ ny Zanak’ Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?

Exodus 3:15Ary hoy koa Andriamanitra tamin’ i Mosesy: Izao no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ i Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ ny taranaka fara mandimby.

Exodus 6:6Koa lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.

Exodus 14:25Ary nanala ny kodian’ ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan’ ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin’ ny Egyptiana ho an’ ireo.

Psalms 45:3Tsara tarehy noho ny zanak’ olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin’ ny molotrao; izany no nitahian’ Andriamanitra anao mandrakizay.

Isaiah 42:8Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ ny sarin-javatra voasokitra.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Eksodosy 15:3

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Eksodosy 15:2Bokin'ny Eksodosy 15Bokin'ny Eksodosy 15:4 →