Bokin'ny Eksodosy 15:9
Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 15
Cross References
Exodus 14:5Ary nisy nanambara tamin’ ny mpanjakan’ i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon’ i Farao sy ny mpanompony ny amin’ ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin’ ny fanompoany antsika isika?
Judges 5:30Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an’ ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon’ i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon’ ny nahazo babo.
1 Kings 20:10ary izy naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon’ ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-tànan-ila akory ny vovok’ i Samaria amin’ ny isan-olona manaraka ahy.
Isaiah 36:20Iza moa amin’ ny andriamanitra rehetra amin’ ireo tany ireo no efa nahavonjy ny taniny tamin’ ny tanako, koa aiza no hahavonjen’ i Jehovah an’ i Jerosalema amin’ ny tanako?
Habakkuk 3:14Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan’ ireo miaramilany betsaka, Izay avy toy ny tadio hanely ahy, Sady mifaly handany mangingina ny ory izy.