Bokin'ny Eksodosy 16:12
Efa reko ny fimonomononan’ ny Zanak’ Isiraely, koa mitenena aminy hoe: Anio hariva dia hihinan-kena ianareo, ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo ianareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Read all of Bokin'ny Eksodosy 16
Cross References
Exodus 4:5mba hinoan’ ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.
Exodus 7:17Koa izao no lazain’ i Jehovah: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko etỳ an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily, ka ho tonga rà izy.
Numbers 11:4Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak’ Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!
Ezekiel 34:30ka dia ho fantany fa Izaho, Jehovah Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak’ Isiraely, no oloko, hoy Jehovah Tompo.
Ezekiel 39:22Ary ho fantatry ny taranak’ Isiraely fa Izaho no Jehovah Andriamaniny hatry ny androtr’ iny ka hatramin’ ny ho avy rehetra.
Zechariah 13:9Ary ho entiko miditra amin’ ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.