Bokin'ny Eksodosy 16:14
ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ ny efitra, madinika toy ny fanala amin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 16
Cross References
Exodus 16:31Ary ny anarany dia nataon’ ny taranak’ Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely.
Deuteronomy 8:3Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’ i Jehovah no iveloman’ ny olona.
Psalms 78:24Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin’ ny lanitra no nomeny azy.
Psalms 147:16Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.