Bokin'ny Eksodosy 16:3
ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin’ ny tànan’ i Jehovah tany amin’ ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan’ ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho atỳ an-efitra ianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 16
Cross References
Exodus 2:23Ary tao anatin’ izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan’ i Egypta; ary ny Zanak’ Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin’ Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
Exodus 14:11Ary hoy koa izy tamin’ i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?
Numbers 11:4Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak’ Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!
Numbers 11:15Koa raha izao no ataonao amiko, masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho.
Numbers 14:2Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy sy Arona ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin’ ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ amin’ ity efitra ity!