Bokin'ny Eksodosy 17:1
Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron’ i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin’ ny olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 17
Cross References
Exodus 15:22Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron’ ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin’ ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.
Exodus 17:8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ ny Isiraely tao Refidima.
Numbers 9:17Ary rehefa niakatra niala tamin’ ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak’ Isiraely, ka teo amin’ izay nijanonan’ ny rahona no nitobiany.
Numbers 20:2Ary tsy nisy rano ho an’ ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin’ i Mosesy sy Arona.
Numbers 33:14Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin’ ny olona.