Bokin'ny Eksodosy 17:12
Fa efa vizana ny tanan’ i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin’ i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin’ ny anila, ary ny iray kosa tamin’ ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin’ ny masoandro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ ny lelan-tsabatra.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 17
Cross References
Joshua 8:26Ary Josoa tsy nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin’ ny lefona mandra-pandringana ny mponina rehetra tao Ay.
Isaiah 35:3Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
Mark 14:37Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin’ i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao?
Ephesians 6:18ary mivavaha mandrakariva ao amin’ ny Fanahy amin’ ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’ izany amin’ ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ ny olona masìna rehetra,
Colossians 4:2Mahareta amin’ ny fivavahana, ka miambena amin’ izany amin’ ny fisaorana,
Hebrews 12:12Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy;