Bokin'ny Eksodosy 17:3
Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin’ i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 17
Cross References
Exodus 14:11Ary hoy koa izy tamin’ i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?
Exodus 16:2Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy sy Arona tany an-efitra ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra,
Nehemiah 9:15ary mofo avy tany an-danitra no nomenao azy, raha noana izy; ary rano avy tamin’ ny vatolampy no navoakanao hosotroiny, raha nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanàna homena azy izy.
Psalms 107:5Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,