Bokin'ny Eksodosy 18:12
Ary Jetro, rafozan’ i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an’ Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon’ ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin’ ny rafozan’ i Mosesy teo anatrehan’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 18
Cross References
Genesis 4:4fa nitondran’ i Abela kosa ny voalohan-terak’ ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an’ i Abela mbamin’ ny fanatiny;
Genesis 12:7Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an’ i Jehovah Izay niseho taminy.
Genesis 26:30Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy.
Genesis 43:25Dia nandamina ny zavatra hateriny izy mandra-pihavin’ i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina.
Exodus 24:5Ary ny zatovo amin’ ny Zanak’ Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr’ ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah.
Leviticus 7:11Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanati-pihavanana izay haterina ho an’ i Jehovah: