Bokin'ny Eksodosy 18:26
Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin’ i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin’ ny taniny izy.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 18
Cross References
Exodus 18:14Ary rehefa hitan’ ny rafozan’ i Mosesy izay rehetra nataony tamin’ ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin’ ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva?
Leviticus 24:11Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin’ i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin’ i Dibry avy tamin’ ny firenen’ i Dana izy);
Deuteronomy 17:8Raha misy teny sarotra loatra amin’ ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin’ ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao, ka miakara any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao.
1 Kings 10:1Ary ny mpanjakavavin’ i Sheba, rehefa nahare ny lazan’ i Solomona ny amin’ ny anaran’ i Jehovah, dia avy hizaha toetra azy amin’ ny fanontaniana sarotra,