Bokin'ny Eksodosy 19:10
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandehana ho eny amin’ ny olona, ka manamasìna azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 19
Cross References
Exodus 19:14Dia nidina avy tao amin’ ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin’ ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
Leviticus 11:44Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasìna ny tenanareo, ka dia ho masìna ianareo, satria masìna Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin’ izay zavatra mandady na mikisaka amin’ ny tany.
Numbers 8:7Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.
Numbers 11:18Koa lazao amin’ ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin’ ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan’ i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen’ i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo.
Numbers 31:24Ary sasao ny fitafianareo amin’ ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin’ ny toby ianareo.
Joshua 7:13Mitsangana, manamasìna ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasìna ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.