Bokin'ny Eksodosy 19:15
Ary hoy izy tamin’ ny olona: Miomàna ianareo ho amin’ ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he said unto the people, Be ready against the third day: come not at your wives.
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 19
Cross References
Exodus 19:11ary aoka samy hiomana ho amin’ ny andro fahatelo izy; fa amin’ ny andro fahatelo no hidinan’ i Jehovah ho eo imason’ ny olona rehetra eo an-tampon’ ny tendrombohitra Sinay.
Leviticus 15:18Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin’ ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
1 Samuel 21:5Ary ny mpisorona namaly an’ i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masìna ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo.
Amos 4:12Koa izao no hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin’ Andriamanitrao, ry Isiraely ô.
Zechariah 7:3ka hiteny amin’ ny mpisoron’ ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, sy amin’ ny mpaminany hoe: Hitomany amin’ ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin’ ny taon-dasa ela?
Malachi 3:2Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ ny mpandrendrika sy ny savonin’ ny mpanasa lamba.