bible.software › Bokin'ny Eksodosy › Bokin'ny Eksodosy 19 › Bokin'ny Eksodosy 19:17
Bokin'ny Eksodosy 19:17
Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin’ Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin’ ny tendrombohitra izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Moses brought forth the people out of the camp to meet with God; and they stood at the nether part of the mount.
In Context
16Ary nony tamin’ ny marain’ ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ ny tendrombohitra, ary nisy feon’ anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
18Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 19
Cross References
Leviticus 9:5Dia nitondra izay nandidian’ i Mosesy azy ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan’ i Jehovah.
Deuteronomy 4:11Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin’ ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'ny Eksodosy 19:17