Bokin'ny Eksodosy 19:5
Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 19
Cross References
Exodus 9:29Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin’ ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin’ i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’ i Jehovah ny tany.
Exodus 23:22Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon’ ny fahavalonao sy ho rafin’ ny rafinao Aho.
Exodus 34:9dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.
Deuteronomy 4:20Fa ianareo no nalain’ i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin’ izao anio izao.
Deuteronomy 7:6Fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin’ i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Deuteronomy 10:14Indro, an’ i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’ izay rehetra eo aminy.