Bokin'ny Eksodosy 2:10
Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin’ ny zanakavavin’ i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin’ ny rano no nangalako azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 2
Cross References
Genesis 16:11Ary hoy indray Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Indro, manan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.
1 Samuel 1:20Ary tamin’ ny fahatanterahan’ ny andro dia nanan’ anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin’ i Jehovah no nangatahako azy.
Acts 7:21Fa rehefa nariana izy, dia nalain’ ny zanakavavin’ i Farao ka notezainy ho zanany.
Hebrews 11:24Finoana no nandavan’ i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’ i Farao, rehefa lehibe izy,―