Bokin'ny Eksodosy 2:21
Ary sitrak’ i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin’ i Mosesy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Moses was content to dwell with the man: and he gave Moses Zipporah his daughter.
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 2
Cross References
Genesis 31:38Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin’ ny ondrinao aho.
Exodus 3:1Ary Mosesy niandry ny ondry aman’ osin’ i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman’ osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr’ Andriamanitra.
Exodus 4:25Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan’ ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin’ ny fandatsahan-drà ianao.
Numbers 10:29Dia hoy Mosesy tamin’ i Hobaba, zanak’ i Regoela Midianita, rafozan’ i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin’ ny tany izay nolazain’ i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin’ ny Isiraely.
Philippians 4:11Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.
Hebrews 11:25nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’ ny olon’ Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ ny fahotana,