Bokin'ny Eksodosy 20:5
Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6nefa kosa mamindra fo amin’ ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 20
Cross References
Exodus 34:6Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,
Exodus 34:14Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’ izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy,
Leviticus 26:1Aza manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Leviticus 26:39Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any amin’ ny tanin’ ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.
Numbers 14:33ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry atỳ an-efitra efa-polo taona ka hiharan’ ny valin’ ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-efitra.
Deuteronomy 4:24Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.