Bokin'ny Eksodosy 20:6
nefa kosa mamindra fo amin’ ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And shewing mercy unto thousands of them that love me, and keep my commandments.
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 20
Cross References
Deuteronomy 4:37Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny heriny lehibe,
Deuteronomy 7:9Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ ny taranaka arivo mandimby,
Daniel 9:4Ary nivavaka tamin’ i Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra hoe: Indrisy! Tompo ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindram-po ho amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
John 14:21Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.
Romans 11:28Raha ny amin’ ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin’ ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin’ ny razana.
1 John 5:3Fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.