Bokin'ny Eksodosy 22:23
ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin’ ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
If thou afflict them in any wise, and they cry at all unto me, I will surely hear their cry;
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 22
Cross References
Deuteronomy 15:9Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin’ i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany.
Job 31:38Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
Job 35:9Noho ny habiazan’ ny fampahoriana no itarainan’ ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin’ ny mahery,
Psalms 18:6Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.
Psalms 145:19Hanefa ny irin’ izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
Proverbs 22:22Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;