Bokin'ny Eksodosy 22:27
Aza miteny ratsy an’ Andriamanitra ianao, na manozona ny mpanapaka ny firenenao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 22
Cross References
Exodus 2:23Ary tao anatin’ izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan’ i Egypta; ary ny Zanak’ Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin’ Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
Exodus 34:6Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,
1 Kings 2:8Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak’ i Gera, Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny nanozonany ahy tamin’ ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin’ ny sabatra ianao.
2 Chronicles 30:9Fa raha miverina amin’ i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan’ izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin’ ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.
Psalms 72:12Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;
Psalms 136:10Izay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)