Bokin'ny Eksodosy 22:29
Izao no hataonao amin’ ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao; hafitoana no hitoerany ao amin’ ny reniny; ary amin’ ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 22
Cross References
Exodus 13:12dia hatokanao ho an’ i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an’ i Jehovah ny lahy rehetra;
Exodus 23:19Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
Leviticus 22:27Raha misy omby, na ondry, na osy, vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin’ ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hankasitrahana izy, raha atao fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Deuteronomy 15:19Ny lahy rehetra amin’ ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao dia hohamasininao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman’ osinao.
2 Kings 4:42Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin’ ny voaloham-bokatra ho an’ ny lehilahin’ Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.
Proverbs 3:9Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra;