Bokin'ny Eksodosy 23:11
fa amin’ ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin’ ny malahelo amin’ ny firenenao; ary izay sisan’ ireo dia mba hohanin’ ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin’ ny tanim-boalobokao sy amin’ ny tanin’ olivanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Ary enin-taona no hamafazanao amin’ ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;
Read all of Bokin'ny Eksodosy 23
Cross References
Leviticus 25:2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omeko anareo ianareo, aoka hisy fitsaharana ho an’ ny tany, dia sabata ho an’ i Jehovah.
Leviticus 25:11Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ ny voa nihintsana tamin’ ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin’ izay tsy namboarinareo;
Leviticus 25:22Ary hamafy amin’ ny taona fahavalo ianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan’ ny taona fahasivy; mandra-pahatongan’ ny vao no hihinananareo ny tranainy.
Deuteronomy 15:11Fa ny tany tsy ilaozan’ olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin’ ny rahalahinao ny tananao, dia amin’ ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ ny taninao.