Bokin'ny Eksodosy 23:16
Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny faran’ ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan’ ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan’ i Jehovah Tompo.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 23
Cross References
Exodus 22:29Izao no hataonao amin’ ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao; hafitoana no hitoerany ao amin’ ny reniny; ary amin’ ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.
Leviticus 23:9Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Leviticus 23:17Ary mitondrà mofo roa avy amin’ ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin’ ny koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an’ i Jehovah izany.
Leviticus 23:39Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.
Numbers 29:12Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah.
Nehemiah 8:14Dia hitany voasoratra teo amin’ ny lalàna, izay nampandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin’ ny trano rantsan-kazo ny Zanak’ Isiraely amin’ ny andro firavoravoana amin’ ny volana fahafito,