Bokin'ny Eksodosy 23:18
Aza manatitra ny ran’ ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran’ ny zavatra vonoina amin’ ny andro firavoravoana ho Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan’ ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan’ i Jehovah Tompo.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 23
Cross References
Exodus 12:8Dia hohaniny amin’ izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ ny afo no hihinanany azy mbamin’ ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ ny anana mangidy.
Exodus 12:15Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin’ ny voalohan’ andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely.
Leviticus 2:11Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an’ i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah;
Leviticus 7:15Ary ny henan’ ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina.