The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Eksodosy › Bokin'ny Eksodosy 23 › Bokin'ny Eksodosy 23:20

Bokin'ny Eksodosy 23:20

Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin’ ny fitoerana izay namboariko.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Behold, I send an Angel before thee, to keep thee in the way, and to bring thee into the place which I have prepared.

In Context

19Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.

21Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.

Read all of Bokin'ny Eksodosy 23

Cross References

Genesis 24:7Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin’ ny tranon’ ny raiko sy tamin’ ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ ny zanako.

Exodus 3:2Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin’ ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.

Exodus 15:17Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin’ ny tendrombohitra lovanao, ao amin’ ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin’ ny fitoerana masìna naorin’ ny tananao, Tompo ô.

Exodus 33:2Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),

Numbers 20:16ary raha nitaraina tamin’ i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin’ ny faritry ny taninao, izahay;

Joshua 5:14Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin’ ny miaramilan’ i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin’ ny mpanomponao, Tompokolahy?

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Eksodosy 23:20

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Eksodosy 23:19Bokin'ny Eksodosy 23Bokin'ny Eksodosy 23:21 →