Bokin'ny Eksodosy 23:31
Ary hatramin’ ny Ranomasina Mena ka hatramin’ ny ranomasin’ ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin’ ny efitra ka hatramin’ ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin’ ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
30Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.
32Aza manao fanekena aminy na amin’ ny andriamaniny ianao.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 23
Cross References
Genesis 15:18Tamin’ izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin’ ny onin’ i Egypta ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,
Numbers 34:2Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
Numbers 34:12dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin’ ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina.
Deuteronomy 6:19ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain’ i Jehovah.
Joshua 1:4Hatramin’ ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an’ ny Hetita, ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.
Joshua 8:7Ary dia hiroatra avy ao amin’ ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanàna; fa atolotr’ i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.