Bokin'ny Eksodosy 23:33
Tsy honina eo amin’ ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
32Aza manao fanekena aminy na amin’ ny andriamaniny ianao.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 23
Cross References
Deuteronomy 7:2ary rehefa voatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy;
Deuteronomy 12:30dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany.
Joshua 10:40Dia nasian’ i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any am-bodin’ ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin’ i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely,
Judges 2:2koa aza manao fanekena amin’ ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
1 Samuel 18:21(Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan’ ny tanan’ ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin’ i Davida: Fanindroan’ ny maha-vinantoko anao izao.
2 Chronicles 33:9Kanjo nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ isiraely.