Bokin'ny Eksodosy 24:11
Ary tsy naninjitra ny tànany tamin’ ireo lehiben’ ny Zanak’ Isiraely Izy; dia nahita an’ Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 24
Cross References
Genesis 18:18Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Genesis 32:24Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin’ ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.
Exodus 18:12Ary Jetro, rafozan’ i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an’ Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon’ ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin’ ny rafozan’ i Mosesy teo anatrehan’ Andriamanitra.
Exodus 24:1Ary hoy Izy tamin’ i Mosesy: Miakara ao amin’ i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;
Exodus 33:20Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.
Deuteronomy 4:33Moa efa nisy firenena nandre ny feon’ Andriamanitra niteny tao amin’ ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?