Bokin'ny Eksodosy 24:16
Ary ny voninahitr’ i Jehovah nitoetra teo ambonin’ ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an’ i Mosesy tamin’ ny andro fahafito teo afovoan’ ny rahona Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Dia niakatra tao amin’ ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 24
Cross References
Exodus 19:11ary aoka samy hiomana ho amin’ ny andro fahatelo izy; fa amin’ ny andro fahatelo no hidinan’ i Jehovah ho eo imason’ ny olona rehetra eo an-tampon’ ny tendrombohitra Sinay.
Exodus 24:17Ary ny fijery ny voninahitr’ i Jehovah teo an-tampon’ ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason’ ny Zanak’ Isiraely.
Numbers 14:10Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr’ i Jehovah niseho teo amin’ ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely rehetra.
Psalms 99:7Niteny taminy tao anatin’ ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy.
2 Corinthians 4:6Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ ny fahazavan’ ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra eo amin’ ny tavan’ i Jesosy Kristy.