Bokin'ny Eksodosy 24:17
Ary ny fijery ny voninahitr’ i Jehovah teo an-tampon’ ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason’ ny Zanak’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 24
Cross References
Exodus 3:2Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin’ ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.
Exodus 19:18Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
Deuteronomy 4:36Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin’ ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan’ ny afo.
2 Samuel 22:13Ary avy teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.
Ezekiel 1:28Toy ny tarehin’ avana amin’ ny rahona amin’ ny andro nisy ranon’ orana no tarehin’ ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr’ i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon’ ny anankiray niteny.
Habakkuk 3:4Misy famirapiratana toy ny mazava, Ary misy tàna-masoandro avy eo amin’ ny tànany; Ary ao no fieren’ ny heriny.