Bokin'ny Eksodosy 24:18
Dia niditra tao afovoan’ ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin’ ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin’ ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 24
Cross References
Exodus 9:33Ary Mosesy niala teo amin’ i Farao ka nankeo ivelan’ ny tanàna, dia namelatra ny tànany tamin’ i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin’ ny tany intsony.
Exodus 24:17Ary ny fijery ny voninahitr’ i Jehovah teo an-tampon’ ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason’ ny Zanak’ Isiraely.
Exodus 34:28Dia teo amin’ i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan’ i Jehovah tamin’ ny vato fisaka ny tenin’ ny fanekena, dia ny Didy Folo.
Deuteronomy 9:9Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon’ i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
Deuteronomy 9:25Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain’ i Jehovah fa handringana anareo Izy.
1 Kings 19:8Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin’ ny tanjaka azony tamin’ izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr’ Andriamanitra.