Bokin'ny Eksodosy 24:2
nefa Mosesy ihany no hanakaiky an’ i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 24
Cross References
Exodus 19:12Dia hanisy fefy manodidina ho an’ ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin’ ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;
Exodus 24:13Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr’ Andriamanitra.
Exodus 24:18Dia niditra tao afovoan’ ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin’ ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin’ ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.
Jeremiah 30:21Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.
Hebrews 9:24Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’ izay fitoerana masìna nataon-tanana, izay tandindon’ ny tena fitoerana masìna, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra ankehitriny ho antsika;