Bokin'ny Eksodosy 24:3
Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin’ ny olona ny teny rehetra izay nataon’ i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’ i Jehovah dia hataonay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 24
Cross References
Exodus 19:8Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin’ i Mosesy tao amin’ i Jehovah kosa ny tenin’ ny olona.
Exodus 24:7Dia naka ny bokin’ ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan’ ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay sy hekenay.
Deuteronomy 4:5Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana.
Deuteronomy 5:1Ary Mosesy niantso ny Isiraely rehetra ka nanao taminy hoe: Ry Isiraely ô, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo anio, ka ianaro ireo, sy mitandrema mba hankatò azy.
Deuteronomy 11:1Ary tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka tandremo mandrakariva Izay asainy hotandremana, dia ny lalàny sy ny fitsipiny ary ny didiny.