Bokin'ny Eksodosy 24:4
Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon’ i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin’ ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin’ ny folo, araka ny firenen’ Isiraely roa ambin’ ny folo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 24
Cross References
Genesis 12:7Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an’ i Jehovah Izay niseho taminy.
Genesis 28:22ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon’ Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
Exodus 17:15Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.
Exodus 20:25Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.
Exodus 34:27Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin’ ny Isiraely.
Numbers 17:2Mitenena amin’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin’ ny may ny fitondran’ afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masìna ireny;